Efesiana 1:23

« Ny fiangonana izay tenany, dia fahafenoan’Izay mameno izao zavatra rehetra izao amin’ny rehetra ».

Mameno ny mino Azy Kristy. Monina ao amin’ny fiangonany Izy. Ao amin’izany fiangonana izany ny olo-mino tsirairay dia mitady hery amin’ny fiombonana masina sy amin’ny fandraisana ny fanasan’ny Tompo.

Nefa ao ivelan’ny fiangonana dia mameno ny mino tsirairay koa Kristy. Mameno azy rehetra Izy, hoy ny teny eto. Ny toetra ara-tsaina azo hatramin’ny nahaterahana araka ny maha-olombelona dia tsy atao ho mavesa-danja amin’ity hevitra ity. Na toy inona na toy inona toetsain’ny olona, na mora tezitra na bonaika, dia mety ho kristiana, eny, fenoin’i Kristy. Hofenoiny koa hianao raha tena mino Azy.

Nefa mameno ny mino tsirairay koa Izy amin’ny andraisany azy ho fananana. Izy mameno ny zavatra rehetra amin’ny rehetra: Mameno ny fiainany rehetra, ny tokan-trano, ny asany, ny heviny sy ny fisainany, ny teniny, ny fahatsiarovany, ny fombany aman-toetrany rehetra. Samy hofenoiny ka hasiany tombon-kase.

Eny, Tompo ô! Fenoy aho! Fenoy izay rehetra ato amiko. Raiso ho fanananao aho, ka asio tombon-kase, fa anao. Aoka izay rehetra ataoko, teneniko, heveriko, hilaza zavatra iray monja ; dia ny aminao, momba Anao.

Laisser un commentaire