» Aza manakisaka ny faritany ela izay nataon’ny razanao ».
Mampidi-doza amin’izay manao azy ny manakisaka faritany ela na tsy misy olona mahalala ny anaovana izany aza. Fandrika sy tonta hahavoa ny manao izany.
Raha ny momba ny ara-panahy dia vao mainka mahatahotra kokoa ny manao izany; fa saro-bidy lavitra ny fanahy noho ny tena. Koa ny fanakisahana faritany dia mitera-doza lehibe tokoa maharitra sy mahatsiravina fatratra ery.
Misy faritra mampisaraka azy, ny tsara sy ny ratsy; torak’izany ny marina sy ny tsy marina, ny fahatahorana an’ Andriamanitra sy ny fitiavana izao tontolo izao, ny fanjakan’ Andriamanitra sy ny an’ny devoly, ny mazava sy ny maizina.
Indraindray dia misalasala ny amin’ny faritra ny olona. Nefa anontanio izay misy azy ny Ntaolo dia hahazo fahalalana mazava tsara hianao. Adidinao ny hahafantatra azy satria misy tenin’ Andriamanitra manao hoe: » Aza manakisaka ny faritany ela ».
Izay tsy manakisaka ny faritany nataon’ny ray aman-dreniny kristiana dia mahazo mipetraka tsy amin’ahiahy. Mitandrema anefa hianao sao voan’ity. Mety misy manakisaka faritany noho ny tsy fahalalany. Ka ataovy izay hahalalanao azy tsara raha tsy hahatonga anao ho ivelan’ny fanjakan’ Andriamanitra.