Matio 9:12

 » Tsy ny finaritra no mila mpanao fanafody fa ny marary « .

Naman’ny marary va hianao? Tsy ny karazan’aretina no fototry ny fanontaniana eto. Samy hafa ny karazan’aretina na karazan-javatra mampiferinaina. Mazana tsy mitovy ny hamafin’ny fitolokon’ny marary eo am-parafara samy hafa, ary tsy sahala ny fangirifirian’ny fon’ny olona eo am-pandevenany ny havany. Na dia ireo olona salama tena sy tsara toe-piainana ara-nofo aza dia misy mijaly ka tsy azo atao hoe: Tsy naman’izay manam-pahasahiranana.

Kanefa Jesosy dia Dokotera tsy miova mandrak’androany. Ny hanampy ny sahirana, hanasitrana ny marary ara-panahy indrindra no isan’ny tena foto-diany teto an-tany. Azony avela ny heloka rehetra; azony anampiana ny fahasahiranana rehetra. Izy izay Dokotera lehibe feno fitiavana dia manana ny hery tsy toha. Mitady anao Izy izao satria te-hamela ny helokao. Koa na salama aza ny tenanao ka matanjaka tsara, ny fanahinao kosa mety ho marary sady mahia ery. Raha fantatrao fa marary ny fanahinao dia hatony Jesosy hanasitrana azy.

Laisser un commentaire