Hebreo 2:18

« Fa satria nalaim-panahy ny tenany tamin’ny fahoriana nentiny dia mahavonjy izay alaim-panahy koa Izy ».

Mijaly ny alaim-panahy fa sady alaim-panahy no iharan’ny fijaliana. Ny zanak’ Andriamanitra mahalala fa tarihin’ny sitrapon’ny tenany hanota, nefa ankahalain’ny fanirian-dratsy izy. Ary amin’izany fotoana itarihana azy ho amin’ny fakam-panahy izany dia mijaly izy, ary miady handresy ny fakam-panahy.

Raha mijaly noho ny ahazoan’ny fakam-panahy azy ny olona, dia mahatsapa fa akaiky azy satana. Ary na dia miantso vonjy amin’i Jesosy aza izy, dia toa lavitra ihany Jesosy.

Akaiky anefa Izy. Nalaim-panahy Izy tenany. Taminy dia lehibe dia lehibe ny fijaliana, satria tena madio tokoa Izy. Nefa satria nijaly Izy raha nalaim-panahy, dia hainy ny manampy izay alaim-panahy.

Ry alaim-panahy ô, mahalala ny adim-panahy mahazo anao Izy. Niady tamin’ny fakam-panahy Izy tenany. Ka raha tonga aminao ny fakam-panahy dia miara-mijaly aminao sy manampy anao handresy Jesosy. Te-hamela ny helokao Izy raha lavo hianao. Mijoro eo akaikinao Izy ka manohana anao tsy ho potraka. Te-hanampy anao handresy mandrakariva hatramin’ny faran’ny andro iainanao eto an-tany Izy. Rahalahinao Izy; Mpamonjy anao; Mpanampy anao.

Laisser un commentaire