« Ampy ho anao ny fahasoavako ».
Teny lehibe mampiravoravo tokoa ity hoe: Fahasoavana. Ho an’ny olona rehetra izany, dia izay rehetra te-hahazo sy te-handray azy. Amin’ireny fahasoavana ireny, dia tahaka ny tànana mangaoka ny fahotan’ny olona hatramin’ny fanambaniny, ka manandratra izany olona izany ho sambatra. Ho anao koa ny fahasoavana, ho anao hatramin’izao. Raha ny fahasoavana no fahasoavana, dia tsy azo ovana ho zavatra hafa. Manaisotra ny ota rehetra ny fahasoavana. Na fahotana inona na fahotana inona dia samy mety ho voavela noho ny fahasoavana. Tsy mandroaka ny olona na iza na iza ny fahasoavana na hianao izao aza.
Ampy ny fahasoavan’ Andriamanitra. Tsy mila fanampiny, ny fahasoavana toy ny fanambarana ambony dia ambony, toy ny fahitan-javatra manokana, sy toy ny zavatra tsaroana ao an-tsaina. Ny kristiana dia tsy ny hieritreritra na handinika ny fahamasinany, hamisavisa an-tsaina ny fahamasahana ara-panahy ary mandinika koa ny vokatry ny asa. Ny kristiana dia miankina amin’ny fahasoavana. Ampy ny fahasoavana. Fahasoavana no anamasinana anao, hitomboanao amin’ny toetra maha-olon’ Andriamanitra, ampahaizana anao handresy ny ratsy. Omeo toerana ao aminao ny fahasoavana. Tonga ao aminao ny fahasoavana ka raiso ho anao. Miankiina aminy. Ampy ho anao ny fahasoavaKo.