« Rehefa natao tanteraka Izy dia tonga loharanon’ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaraka Azy ».
Rehefa natao tanteraka Izy, izany hoe: Amin’ny fanoavana. Na dia Zanak’ Andriamanitra aza Jesosy, dia nianatra fanoavana. Tamin’ny fijaliana no nianarany izany. » Fa miendrika ny hahatanteraka ny Tompon’ny famonjena antsika amin’ny fahoriana » (Heb.2.10)
Nianatra tao amin’ny sekolin’ny fijaliana Jesosy. Ny zavatra nianarany tao dia ny fanoavana. Rehefa nianatra tao amin’ny sekolin’ny fanoavana Izy, dia tafakatra tao amin’ny kilasy misy ny fahoriany mangidy indrindra, dia ny tao Getsemane. Ary ny fanoavana farany ambony indrindra, dia ny fahafatesana tao amin’ny hazo fijaliana.
Nefa rehefa vita fianarana Izy, ary azony ny fandresena, dia tanteraka ny loharanon’ny famonjena antsika. Koa dia fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaraka Azy Izy.
Mafy aoka izany ny fizahan-toetra Azy, nefa be voninahitra indrindra ny vokatry ny fijaliany. Hevero ny hoe: Loharanon’ny famonjena mandrakizay. Mipetraka ho loharanom-pamonjena miboiboika Izy. Izay manatona Azy amim-pinoana feno fanoavana dia mahazo malalaka hisotro be dia be. Koa na dia mahantra sy be fahotana aza hianao, dia misy ho anao ny famelan-keloka sy ny famonjena mandrakizay ao Aminy.