Isaia 43:2-3

 » Raha mita ny rano hianao dia homba anao Aho; raha mita ny ony hianao, dia tsy hanafotra anao izy; raha mandeha mamaky ny afo hianao dia tsy ho may; ary tsy hirehitra ny lelafo; fa Izaho Jehovah Andriamanitrao, dia ny Iray Masin’ny Israely , Mpamonjy anao. »

« Raha mita », hoy Jehovah. Tsy hevitr’ Andriamanitra akory ny mampiala ny olona tsy hiharam-pahasahiranana; fa ny Ataony kosa dia ny manome fanantenana fa hamonjy azy Izy.

Ny mahatsiravina amin’ny ao anaty rano dia ny tsy ahazoana rivotra hiainana ka ho faty. Ary raha mita ny ony ny olona dia mety ho safotry ny onja ka tra-doza. Ny mamaky ny afo dia ratsy kokoa. Raha akekezina ny afo dia mampangirifiry aok’izany, indrindra raha mamaky azy, vao maika tena hiharan-doza. Mety ho tahaka izany ny fahorian’ny kristiana. Heveriny ho zavatra mety hangeja sy hanimba azy, ary amin’ny farany dia handevona azy.

Nefa izao ny fampanantenan’ Andriamanitra: Homba anao aho. Tsy hisy hahafaty anao ireo. Matokia, fa homba anao Izy na mita ny ony hianao na mamaky ny afo. Tsy hisy hanimba anao ireo.

Raha mangeja anao ny fahoriana, dia omen’ i Jehovah fitahiana hianao ho afaka amin’izany. Raha te-hanafotra anao ny onim-pahoriana hoy Izy, ka te-hanarona anao amin’ny onjany, dia hitantana anao amin’ny tànako mahery Aho. Tsy handevona anao na dia ny afo aza, fa omeko fanadiovana fotsiny hianao. Momba anao Aho.

Laisser un commentaire