2 Korintiana 9:8

 » Ary Andriamanitra mahay mampitombo ny fahasoavana rehetra aminareo mba hanananareo ny onony rehetra mandrakariva amin’ny zavatra rehetra ka hitombo amin’ny asa tsara rehetra. »

Manana ny ampy ny kristiana. Rainy Andriamanitra; ka dia manana ny Ray tena mpanankarena sy be fitiavana ary Tsitoha izy, ary manome azy ny zavatra rehetra tena ilainy.

Hamafisina amin’ity teny ity ny hoe:  » Rehetra », ka aoka ho tafaraikitra mafy ao an-tsainao izany. Aza avela hisy hiala ao, fa raha misy ahafahana dia tsy  » rehetra » intsony. Ary aza milaza fa misy zavatra hanahirana anao intsony na tsy ho ampy anao.

Be fahasoavana Andriamanitra, toetrany mandrakariva amin’ny zavatra rehetra izany. Hahazo ny zavatra rehetra ilainao hianao ka dia hanao ny asa tsara rehetra. Tsitoha Andriamanitra ka afaka hanome anao ny zavatra tena tandrifin’ny ho anao. Koa raha mila zavatra hianao dia Andriamanitra no angataho azy. Dia hatoky tsy misalasala hianao fa homeny anao tanteraka ny zavatra tadiavinao hanananao ny onony rehetra mandrakariva.

Laisser un commentaire