» Tsy hisy amin’ny mponina ao hilaza hoe: Marary aho; ny olona izay mitoetra ao dia voavela heloka. »
Ho toetry ny mponina ao Jerosalema vaovao izany. Raha mbola ety an-tany isika dia azon’aretina maro karazana sy fanaintainana vokatr’izany. Voan’ny fitiavan-tena sy ny fitaka isika ary resin’ny fakam-panahy amin’ny zavatra maro. Nefa aoka hanandratra ny lohantsika isika hijery ny toerana misy an’i Jerosalema any ambony izay onenan’ny olona voavela heloka ka sambatra mandrakizay. Ary dia tsy misy intsony izay milaza hoe: » Marary aho ».
Antsika izany Jerosalema any ambony izany. Ankehitriny isika dia efa akaiky azy, na dia mbola ivelany aza. Ka dia mbola azon’aretina isika. Raha voan’ny aretina anefa isika dia omen’ i Jesosy hery ka omeny fitiavana be dia be na dia ao amin’ny fijaliana mangidy aza. Noho izany dia afaka hisaotra isika na marary aza. Koa dia tsy ho re amin’ny olona rehetra ny teny hoe: » Marary aho ». Fa samy misaotra sy midera ny fahasoavan’ Andriamanitra ny olona rehetra.
Fa ny zavatra mahafaly indrindra ny mponina ao Jerosalema vaovao dia izao: voavela heloka.
Tsy misy zava-py sy mamy amin’ity tany ity, azo ampitoviana amin’ny fifaliana noho ny fahalalana hoe: Voavela heloka.