Salamo 4:8_ 5:3

« Handry amin’ny fiadanana aho, ka dia hatory miaraka amin’izay; satria Hianao Jehovah ô, no mampitoetra ahy mitokana tsy manana ahiahy. »

« Jehovah ô, maraina no handrenesanao ny feoko; maraina no hivavahako aminao ka hanandrandra aho. »

Izany no fiainana isan’andron’ny kristiana. Nony hariva dia fiadanana sy tsy fananana ahiahy. Nony maraina dia fangatahana sy fisaorana ary fiandrasana valim-bavaka feno fanantenana.

Ny tsy fiadanana mbamin’ny ahiahy dia tsy maintsy miala ao amin’ny idiran’ny finoana sy fiadanana.

Midinika amin’ Andriamanitra amin’izay nataony nandritra ny andro ny kristiana amin’ny hariva. Ny ataon’ Andriamanitra aminy dia ny mamela ny helony. Noho izany dia mandry amim-piadanana izy ary matory amim-pifaliana. Ny fivavahan-kariva ataony dia valian’ Andriamanitra amin’ny teny mora feno fitiavana hoe:  » Soava mandry, matoria tsara. »

Mifoha hianao amin’ny maraina ka manohy ny asanao omaly na manomboka asa vaovao. Angamba misy zava-tsarotra miseho amin’ny anaovanao ny asanao, na misy fakam-panahy midona aminao, eny, mety hatolotra anao koa ny adidy vaovao hotontosaina. Nefa arosonao maraina koa eo anatrehan’ Andriamanitra ny raharahanao rehetra. Tahaka izany no ilaina hihaonanao isa-maraina amin’i Jehovah Tomponao mahatoky sady Tsitoha. Amin’ny maraina Izy hanao aminao hoe: Manao ahoana hianao? Koa dia faly hianao nahazo andro vaovao ary hiara-milaza amin’ny mpanao Salamo hoe: Maraina no ivavahako aminao ary hanandrandra aho.

Ny hevitry ny tenin’ Andriamanitra hoe: Soava mandry, dia manao hoe: Matoria amim-piadanana. Ary ny hoe: manao ahoana hianao? dia hoe: Mandrosoa amin’ny asanao fa homeko hery hanaovanao azy.

Laisser un commentaire