Daniela 9:18

 » Tsy amin’ny fahamarinanay no andoaranay ny fifonanay eto anatrehanao, fa amin’ny halehiben’ny indrafonao ».

Maneho zavatra telo ny amin’ny vavaka ity teny ity.

1° – Ny maha-vavaka ny vavaka dia ny anaovana azy amim-panetre-tena. Ny amelan’ Andriamanitra antsika hivavaka dia fahasoavana. Raha misy zavatra hifampiresahantsika amin’ Andriamanitra, dia Izy ihany no manan-drariny hiteny, fa isika hangina. Ary izay rariny holazaina amintsika dia izao: Fanamelohana antsika. Ary tsy navelany fotsiny ny fanamelohana antsika, fa nanome làlana antsika koa Izy hanatona Azy, hangataka izay tiantsika hangatahina Aminy. Noho izany dia fanetre-tena no zavatra tsy maintsy ananana raha mivavaka.

2° – Ny ahazoana mivavaka dia avy amin’ny famindram-pon’ Andriamanitra, fa tsy avy amin’ny asan’ny fahamarinana izay nataontsika. Tsy manana asa tsara vitako hitakiako zava-tsoa amin’ Andriamanitra aho. Raha mihaino ahy Izy dia noho ny fahasoavany. Nefa raha fahasoavana fa tsy avy amin’ny asa vita no ahazoana manatona an’ Andriamanitra dia sahy manatona Azy ny tena be fahotana. Noho ny maha-be famindram-po an’ Andriamanitra no anaovany amintsika hoe: Avia manatona Ahy.

3° – Ny toerana ahazoako mivavaka dia: Eo anatrehan’ Andriamanitra. Ny antony dia ny hahitany ahy mandrakariva. Ankehitriny, dia eo anoloan’ny masony no misy ny fangatahako rehera. Eny, marina tokoa: Fahasoavana no ahazoana mangataka ahazoana mifona Aminao.

Laisser un commentaire