» Izaho Jehovah no Andriamanitrao. Izay mampanonja ny ranomasina ka dia mirohondrohona izy. Ary ao amin’ny aloky ny tànako no nanaronako anao ».
Tsy zavatra sendrasendra no anonjan’ny ranomasina sy irohondrohon’ny onjany ka mahatonga anao hanahy sao hilentika ao.
Ny fahasahirananao amin’ny fiaimpiainanao dia hatahoranao fa sao marika mampiseho fa mandao anao Andriamanitra. Nefa tsia, ny Tompo Andriamanitra izay nampanonja ny ranomasina sy mampirohondrohona ny onjany dia Rainao any an-danitra. Ny tafio-drivotra mampanonja ny fiainanao dia avy Aminy ihany.
Nefa miaraka amin’ io dia manome toky Izy hoe: Hosaronako amin’ny aloky ny tànako hianao. Koa dia tsy handevona anao ny tafio-drivotra ka manafy, fa Andriamanitra no ihaviany.
Ho voatsapanao fa Tànany mahery, Tànan’ny be fitiavana te-hiaro no hanarona anao ambara-pialan’ny tafio-drivotra.