« Andriamanitray ô, ao Aminao no ahitan’ny kamboty famindram-po. Hositraniko ny fihodinany. Ho tia azy tsy vozonana Aho ».
Ahazoan’ny olo-mino fampiononana lehibe ny ahalalany fa tsy vozonana Andriamanitra ho tia ny mpanota. Izy tenany no mifidy ny ho tia, ary mifidy ny ho tia anao. Tsy nisy nangataka na namporisika Azy hanao izany, eny, na dia hianao aza. Tia anao taloha lavitra ny nangatahanao Azy ho tia anao Izy.
Tsy noho ny fahamendrehanao no itiavany anao. Tsy mendrika ny ho tiana hianao. Avy amin’ny sitrapony, avy amin’ny fifidianany, eny, tsy vozonana Izy no itiavany anao. Ankehitriny izao, tsy an-tery no anaovany azy.
Koa tsy hoe satria efa miantomboka ho tia Izy, dia tsy mahay mijanona tsy ho tia, eny na dia te-hanary anao noho ny fahotanao aza Izy, dia tsy manao izany noho ny fitiavany anao. Fa ny Azy kosa tsy an-tery no itiavany anao fa amim-pifaliana.
Henoy indray izao: Tia anao tsy vozonana Izy.