« Fahasoavana sy famindram-po no hanaraka ahy amin’ny andro rehetra hiainako. »
Fahasoavana! Tena marina va izany? Eny tokoa, tsara hianao Andriamanitra ô. Ny kristiana tsy maintsy harahin’ny fahasoavana. Tsy ny fahasoavana ihany no lazain’ny mpanao Salamo amin’ny faha-23, fa manambara koa ny fahavalontsika sy ny lohasaha aloky ny fahafatesana ary ny ratsy hafa koa. Ny ao amin’ny fiainana kristiana dia tsy azo lazaina hoe tsara daholo.
Kanefa marina ihany ny teny hoe: Fahasoavana no manaraka azy. Satria ny zavatra rehetra dia miara-miasa mahasoa izay tian’ Andriamanitra. Ary vao mainka malala kokoa Izy amin’ny mino Azy izay mamaky ny lohasaha aloky ny fahafatesana, satria tsy mandao Izy fa miaraka. Amin’izany dia tonga fitahiana ho azy ilay lohasaha maizina vakiny. Nony manatona azy ny ratsy dia mahazo izay mahafa-tahotra izy, dia ny tehina sy ny tsorakazo eo an-tànan’ Andriamanitra ka mialoka aminy. Koa na dia ny zava-dratsy aza dia tonga fanasoavana ny mino an’ Andriamanitra.
Nony zoim-pahoriana izy dia omena famindram-po. Raha mandositra izay atao hoe ratsy ny olona dia tratry ny fahasoavana sy ny famindram-po.