» Hianareo efa nahita izay nataoko tamin’ny Egyptiana sy izay nitondrako anareo tamin’ny elatry ny voromahery ary ny nampankanesako anareo ho aty Amiko. »
Tsy misy elatra mahery tahaka ny an’ny voromahery. Mety sasatra ny an’ny vorona hafa; ny an’ny fody, ny an’ny tsintsina, ny an’ny railovy aza… Fa ny an’ny voromahery tsy mba toy izany.
Ampitahain’ Andriamanitra amin’ny elatry ny voromahery ny heriny nitondrany ny Israely niala tany Egypta. Andriamanitra mitondra ahy, fa kely sy osa ny elatro, ny heriko. Mora sasatra aho, tsy maharo tena aho. Andriamanitra kosa no manana ny hery tsy toha hiarovany ahy sy hitondrany ahy. Malemy sy osa koa ny fanahiko. Raikitra amin’ny zavatry ny tany aho ka mitanondrika amin’ny tany ary mipetraka amim-pahakiviana mijery ny lanitra izay rariny ho fonenako.
Mahalala ny fahosako anefa Andriamanitra. Noho izany dia mampanantena ahy Izy fa hitondra ahy amin’ny elany mahery. Tsy mba ketraka na oviana na oviana ny heriny. Mampahatanjaka ahy amin’ny hery Tsitoha ho afaka amin’ny firaiketam-po amin’ny zavatry ny tany Izy, hahafahako hiandrandra ny lanitra. Matoky indrindra aho, fa hitondra ahy hankany aminy Izy, ka feno fisaorana Azy ny foko.