Filipiana 2:12

 » Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anareo. »

Ny tahotra an’ Andriamanitra dia tsy azo avela hiala ao ampon’ny kristiana na oviana na oviana. Raha miala ao aminy izany dia ambavahaonan’ny fahafatesana ny fanahiny.

Eritrereto izao: Samy maharitra mandrakizay na any an-danitra na any amin’ny helo, na voavonjy na very, na Andriamanitra Masina sy Tsitoha, na Satana izay fahavalon’ny fanahy. Koa raha mieritreritra izany ny zanak’olombelona dia rariny hangovitra.

Nefa aza manahy raha mandre ny tahotra ao am-ponao. Tsy mariky ny fahafatesam-panahy izany fa mampiseho fahavelomana kosa. Izany tahotra izany dia miaro ny olona tsy hanao ny fahatokiana ny fahazoam-pamonjena ho ondana hatoriana am-panahy. Nefa raha mila ho faty ny tahotra masina am-panahy ao aminao, dia mifohaza faingana, fa raha tsy izany dia ho voa hianao. Tsy azon’ny kamo ara-panahy ny lanitra. Hitana anao tsy hatory ny tahotra ary hitarika anao hanatona an’ Andriamanitra izay atahoranao nefa tianao koa.

Miasà amin’ny tahotra sy ny hovitra hahatanteraka ny famonjena anao.

Laisser un commentaire