« Lehibe ny valin’ny heloko mihoatra noho izay zakako ».
Tsy i Kaina irery no miteny fa izay rehetra mahalala tena tokoa fa mpanota, dia tokony hiteny hoe: Lehibe ny valin’ny heloko mihoatra noho izay zakako.
Eny, iza no manan-kery hitondrana ny fahotany? Tsy misy enta-mavesatra tena mandreraka ny olombelona tahaka ny nenina sy ny alahelo mafy noho ny fahotany. Izay tena mahita tokoa ny fahotan’ny tenany dia hanetry tena. Zava-droa loha ihany no miseho eo anatrehany amin’izany dia: Hamoy fo na handray ny famonjena.
Ity anefa no andraisana ny famonjena araka ny voalazan’ i Jaona mpanao batisa: » Indro ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra izay mitondra ny fahotan’izao tontolo izao. »
Eny, lehibe ny valin’ny helokao, mihoatra noho izay zakanao. Tsy zavatra hevitreverina fotsiny izany, fa tena zavatra tokoa. Noho izany dia misy anankiray mitondra ny fahotanao dia ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra. Zava-dehibe Aminy koa ny fahotana ka namesatra Azy. Nalatsa-drà noho izany Izy. Ary maty noho izany. Nefa tamin’izany nandatsahan-drà Azy sy nahafatesany izany no nitondrany ny fahotanao. Tsy hitondra ny fahotanao koa hianao fa efa nitondra azy nisolo anao ny Zanak’ ondrin’ Andriamanitra.