« Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin’ny tsy finoako. »
Jesosy nanao tamin’ny rain-drazazalahy hoe: » Ny zavatra rehetra dia hain’ny mino. » Gaga ralehilahy ka nieritreritra momba ny finoana. Izay tsy vitan’ny olona na amin’inona na amin’inona dia vitan’ny finoana. Nijoro teo anoloany Jesosy, dia Jesosy izay mahavita ny zavatra rehetra sy mampahery ny finoana. Amin’izany dia manomboka maniry ao am-pony ny finoana ka dia hoy izy: » Mino aho Tompoko. »
Izany hoe: Matoky Anao aho, fantatro fa mahefa ny zavatra rehetra hianao. Teo anilan-dralehilahy io anefa ny zanany lahy izay tiany ho sitranina sady nanantenany fihatsarana matetika; nefa diso ny fanantenany, fa tsy nihatsara ilay zaza.
Nalahelo mafy noho ny tsy finoany ralehilahy, ka nitondra azy ho eo amin’i Jesosy. Tonga nandresy ny tsy finoana ralehilahy tamin’izany, ka nanao tamin’i Jesosy hoe: Tompo ô, vonjeo aho ho afaka amin’ny tsi-finoako.
Iza no tsy mahatsapa ny hamafin’izany ady tao am-pon-dralehilahy izany? Niady tao ny finoana sy tsy finoana, ary ny herin’ny finoana sy ny fahosan’izy tenany. Nefa ity hataka ity dia manambara fa mandresy ny finoana. Izay mitondra ny tsy finoany eo amin’i Jesosy dia mahazo fanomezana avy amin’ny finoana, ka afaka hanao amin’i Jesosy hoe: Tompo ô, mino aho ka vonjeo ho afaka amin’ny tsy finoako.