Jaona 11:40

 » Tsy voalazako va fa raha hino hianao, dia ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra. « 

Andao isika hankany amin’ ilay tendrombohitra malaza any Suisse atao hoe Les Alpes. Ho vaky vava mihitsy isika raha mahita ireo tanimboly voasa eo am-potony mbamin’ ireo saha maitso feno voninkazon-dohataona sy ireo tendrombohitra voasarona oram-panala fotsy mangatsakatsaka ary ny famirapiratan’ ny masoandro mafana malefadefaka mipaka amin’ ny manodidina rehetra. Nefa indrisy, indro antidahy iray miraparapa mitondra tehina. Jamba izy, ka tsy mba mahita izay zava-tsoa hitantsika. Odrey, izany zava-tsoa sesehena mety ho hita amin’ izay anjakan’ ny finoana. Ao anivony indrindra isika, nefa matetika toa jamba.

Izao ihany no hita amin’ ny tsy finoana : ranomaso, fahafatesana, fasana, alahelo, zava-tsarotra tsy azo setraina. Fahasimbana tokoa izany tsy finoana izany.

Raha mahiratra kosa ny maso dia izao no ho hitan’ ny mino : fiainana, fitsanganana amin’ ny maty, fandresena, fifaliana.  » Ho hitanao ny voninahitr’ Andriamanitra. « 

Ny tsi-finoana no mahajamba, ka mampamoifo. Ny finoana kosa no mampahiratra. Noho izany dia mampifaly indrindra izy. Koa dia marina dia marina mandrakariva ny hoe : Izay mino, dia hahita ny voninahitr’ Andriamanitra.

Laisser un commentaire