» Efa akaiky Izy manamarina Ahy; iza no hiady amiko. »
Inona no atahoranao ? Inona no mahaketraka sy mampalahelo anao ? Nahoana no manjombona ny tarehinao ?
Kanefa anie eo akaiky Izy! Efa akaiky Izy manamarina anao, dia ilay mpisolo-vava anao eo anatrehan’ i satana sady Mpamonjy anao. Mpanampy anao amin’ ny zavatra rehetra Izy, satria sakaiza, mahatoky izay tena mahalala anao. Izy no Ilay azonao hatonina ka handoarana ny fo. Mpiahy anao Izy sady mpanoro hevitra anao amin’ ny làlan-kombanao.
Mampanantena ny hikarakara anao na ara-tena na ara-panahy Izy. Tena tia anao Izy. Tsy misy kendreny afa-tsy ny hahasoa anao. Izy koa no ilay mahery indrindra. Tsitoha Izy.
Eo akaiky Izy, eny, eo anilanao amin’ izao fotoana izao. Efa akaiky Izay manamarina anao !
Koa ario ny fahakivianao ary mifalia !