» Izay efa-polo taona izay Jehovah Andriamanitrao no teo aminao ka tsy nanan-java-mahory hianao. »
Firy taona izay no teo aminao Andriamanitrao ? Sao tsy mbola tonga teo aminao mihitsy Izy ! Raha izany dia tena manan-java-mahory hianao. Rehefa mirehitra ny jiro vao fantatra miharihary ny fahamaizinana talohan’ ny nampirehetana azy.
Toy izany ny harem-bevava omen’ Andriamanitra. Ny mahatsapa azy no tena mahafantatra ny fahantrana lalina nahazo teo aloha.
Izay miaraka amin’ Andriamanitra dia afaka milaza toy ny Israely fahiny hoe : Taona maro ela izay no teo amiko Andriamanitra ka tsy nanan-java-mahory aho.
Nefa moa tsy sahirana tamin’ ny hetaheta sy ny hanoanana va ny zanak’ Israely ? Matetika aza dia tao anatin’ ny fahoriana lalina indrindra izy. Marina tokoa izany. Kanefa fizahan-toetra nataon’ Andriamanitra ho fitaizana azy izany, ary fanaony amin’ ny zanany mandrak’ androany. Fitaizana ombam-pitiavana ny an’ Andriamanitra, ka tsy avelany tsy ho afaka amin’ ny fahoriana mahazo ny zanany, fa vonona hanampy sy hanome araka izay ilaina Izy.
Efa-polo taona no nandehanan’ ny zanak’ Israely tany an-efitra. Niaraka taminy isan’ andro Andriamanitra, ka tsy nanan-java-mahory akory izy. Mbola velona Andriamanitra, ka tsy miova.