» Makà saina ihany hianareo, nefa mbola hofoanana izany. Milazà ihany ny teny nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory, fa aminay Andriamanitra Imano-Ela. «
Endrey manao ahoana izany fahatokiana ananan’ ny olon ‘ Andriamanitra ! Afaka hilaza mivantana amin’ ny fahavalony rehetra izy hoe : » Makà saina ihany hianareo. » Ento aty ny fikasan-dratsinareo. Milazà ihany ny teny mafy amin-kafetsena. Nefa tsy ho tanteraka izany tsy akory, fa ho foana eo anatrehan’ ilay manda atao hoe IMANO-ELA, izany hoe : Aminay Andriamanitra.
Ry zanak’ Andriamanitra malala ô, raiso amim-pinoana izany anarana hoe Imano-Ela izany, dia anao ny fandresena. Andriamanitra Tsitoha, dia Andriamanitry ny hery sy ny fahendrena tsy manampahatamperana izay mahafehy ilay ratsy amin’ ny teny indraim-bava. Izy no amintsika.
Amin’ ny Anarany no hahazoanao fahasahiam-pinoana. Amin’ ny Anarany no hanoloranao tena handray adidy sarotra. Amin’ ny Anarany koa no hahasahianao hijoro irery, ary amin’ ny Anarany no handresenao.
Satria izao : Imano-Ela ! Izany hoe : Amintsika Andriamanitra !