Jakoba 1:5

 » Andriamanitra manome malalaka ho an’ ny olona rehetra sady tsy mandatsa. « 

Misy fanomezana izay mampijaly eo am-pandraisana azy. Eo am-panolorana azy dia mety misy teny mampiseho fa tsy mendrika hahazo ilay mpandray. Mety misy teny koa mampahatsiaro azy ny fahadisoany. Ary na dia, tsy tenenin’ ny vava aza izany dia mety miseho amin’ ny endrika sy ny fomba fanolorana izany. Mahatsiaro fanaintainana ao am-po ilay notolorana, ka raha tsy zavatra tena ilainy ilay fanomezana: dia naleony namerina azy.

Tsy mba toy izany Andriamanitra rehefa manome zavatra. Na dia manana izay antony hanomezany tsiny eo am-panolorana azy aza Izy sady rariny, ny hampahatsiarovany antsika ny fahotantsika, dia tsy mba manana izany Izy. Izao no voasoratra ny Aminy :  » Manome malalaka Izy sady tsy mandatsa. » Voavelany ny fahotantsika sady hadinony koa ka tsy misy antony intsony ny fandatsana. Afa-tsy izany dia be fitiavana Izy ka izany no anomezany malalaka. Mahafaly Azy aza ny hanome. Aza mihevitra fa mifikitra mafy amin’ izay ananany Andriamanitra ka an-tery vokatry ny tambitamby nataonao Azy no hanomezany. Henoy ny voasoratra eto :  » Manome malalaka Izy sady tsy mandatsa.  » Koa sahia mangataka.

Laisser un commentaire