Apokalypsy 22:17

 » Ary izay mety, aoka izy hisotro maimaim-poana amin’ ny ranon’ aina. « 

Ny ranon’ aina dia ahazoan-kery amin’ ny adim-piainana sy amin’ ny fahamasinana ary ny asa. Manome faharetam-po sy fifaliana izy sady mahafa-po no manatanteraka ny faniriana rehetra. Indrindra indrindra, manaisotra ny hery mahatsiravina vokatry ny fahotana izy ary manarina ny lavo. Izay rehetra ilain’ ny olona hananany fiainana mahafa-po no omen’ izany ranon’ aina izany.

Raha saro-bidy toy izany ity ranon’ aina ity, dia rariny raha manontany isika hoe : Aiza no hahazoana azy ? Ary moa ho azon’ ny olona rehetra va ?

Eny, isaorana anie Andriamanitra, fa ho azon’ ny olona rehetra izy.  » Izay mety, aoka izy hisotro.  » Tsy misy zavatra takiana afa-tsy ny fetezana hisotro; Izay mety, dia mahazo migoka ity rano ity ary ho afa-po tokoa, ka azy ny famelan-keloka, hery, fifaliana, fandresena, fiadanana ary izay rehetra ilainy. Ary azo maimaim-poana ity rano ity. Mivoha ny làlana mankao an-doharano sady tsy ho ritra na oviana na oviana Izy.

Laisser un commentaire