» Raha tsy mety mino hianareo, dia tsy ho tafatoetra « .
Ny hoe finoana dia ny ho tafatoetra na tsy ho tafatoetra. Tsy ambin-javatra fotsiny ny finoana fa tena zavatra feno tokoa. Tena aina izy, fa ny tsi-finoana kosa, dia fahafatesana. Ny finoana dia fiainana miorina, fa ny tsi-finoana dia ho levona.
Ny hoe mino dia ny matoky an’ Andriamanitra fa tsy matoky tena. Tsy miantehitra amin’ ny lalàn’ ny zava-boahary ny finoana fa fahatokiana ilay hery izay Tompon’ izany lalàna izany. Tsy izay vitan’ ny olombelona no fototry ny finoana, fa ny hery tsitohan’ Andriamanitra irery. Ny tsi-finoana kosa dia ilay maniry ho azy ao am-pon’ ny olona araka ny nofo. Fa ny finoana marina dia ilay naorin’ Andriamanitra ao am-pon’ ny olona efa nateraka indray.
Mila famelombelomana anefa izany finoana izany, fa fahatokiana an’ Andriamanitra ihany no hahatanteraka azy. Ny tsy fahatokiana kosa no hahafaty azy.
Mampisafidy anao isan’andro ny finoana sy ny tsi-finoana, ka inona no hofidinao ? Ny ho velona va, sa ny ho faty ?
Raha tsy mety mino hianao, dia tsy ho tafatoetra. Ry Tompo ô, tsy te-ho faty aho, fa hino Anao.