» Ary Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra amin’ ny finoanareo, mba hitomboanareo amin’ ny fanantenana noho ny herin’ ny Fanahy Masina « .
Eritrereto kely izay lazain’ ity andininy ity. Milaza faniriana izy ary raha inoanao dia ho tanteraka aminao. Ny loharanon’ izany zava-tsoa voalaza izany dia Andriamanitry ny fanantenana. Avy Aminy no iboiboihany – tsy hoe mitete – fa tena migororoana. Ny inona anefa ? Izao : Fifaliana sy fiadanana. » Andriamanitry ny fanantenana anie hameno anareo amin’ ny fiadanana rehetra amin’ ny finoanareo « . Ny fifaliana mampiala ny fahoriana ary ny fiadanana tonga solon’ ny ahiahy. Tsy miraparapa foana ny finoana, fa mampitony ny fo. Ho feno ny fifaliana sy ny fiadanana rehetra ny zanaky ny fanantenana ka hitombo mandrakariva amin’ ny herin’ ny Fanahy Masina.
Endrey izany harena atolotra anao anio : Fifaliana, fiadanana, finoana, fanantenana, hery – samy vokatry ny Fanahy Masina. Feno mitafotafo izany harena izany.
Aza mihevitra, intsony hoe : tsy misy ny fanantenana. Andriamanitry ny fanantenana anie ny Andriamanitsika e!
Raiso ity teny voalaza ao ity, fa ho anao dia ho anao tokoa !