Isaia 1:2-3

 » Efa nitaiza sy nahalehibe zaza Aho, kanjo niodina tamiko ireo. Ny omby mahalala ny tompony ary ny boriky ny fihinanam-bilon’ ny tompony, fa ny Israely tsy mahalala, ny oloko tsy misaina. « 

Rentsika ny feon’ Andriamanitra amin’ izao. Tsy feo vinitra anefa, fa feo mangorakoraka, toy ny miloatra avy amin’ ny fon’ ny Ray feno fitiavana ny zanany, saingy fitiavana natao tsinontsinona sy nolavina.

Mahagaga tokoa ny tsi-fandraisan’ ny olona ny fitiavan’ Andriamanitra. Ny omby sy ny boriky mahalala ny tompony, fa ny olon’ Andriamanitra kosa dia tsy mahalala Azy. Andriamanitra no niteraka azy sady nahalehibe, niaro sy nanisy soa be dia be azy. Nefa na dia izany aza, dia  » tsy mahalala Azy ny olony ka tsy masina. « 

Sanatria, ry Tompo ô, raha ho isan’ ireo tsy mahalala Anano aho. Resin’ ny fitiavanao aho izao. Toy ny omby eo ambanin’ ny fahefan’ ny tompony ka mankato azy no hanompoako sy hanoavako Anao, dia hahalala marina aho fa fanananao.

Laisser un commentaire