Tononkiran’ i Solomona 2:4

 » Ary ny fanevany eo amboniko dia fitiavana. « 

Mitsangana eo ambonin’ny lohako ny faneva. Fanevan’ Andriamanitra izany. Mamirapiratra noho ny tanamasoandro izy ka velarin’ ny rivotry ny fahavaratra mba ho hita daholo ny endriny.

Nony mihamafy ny rivotra dia vao mainka henjana ilay faneva, sahala amin’ ny lain-tsambo nohenjanina ka hita miharihary ny sorany mifanitsy amin’ny lanitra mitakosirin-draho-mainty. Vao mainka mazava anefa ny soratra amin’ ny fifofofofon’ ny rivotra. Tsy esorina na oviana na oviana izy na dia tonga aza ny aizina ka voasaron-javona ary tsy misy hita eo anoloako, dia mbola eo ihany ny faneva. Ny sorany anefa dia tsy hita intsony, dia ilay iriko ho hitan’ ny masoko saingy voasaron’ ny rahona sy ny aizina mikitroka. Fantatro ihany fa mbola eo izy. Raha mbola eo ambonin’ ny lohako ny faneva, dia manan-kery ilay soratra.

Teny anankiray monja no voasoratra ao, dia ny hoe : Fitiavana.

Izany no ahatsiarovan’ Andriamanitra ahy. Faneva eo amboniko izany, sady fanevan’ ny fiainako. Izay rehetra kendreny ny amiko dia fitiavana. Izany faneva izany no isosasosan’ ny fiainako.

Laisser un commentaire