» Fa rehefa nandalo ny fiambenana voalohany izy, dia tonga teo amin’ ny vavahady vy izay mahazo ny làlana ho any an-tànana, ary nivoha ho azy, io mba halehany . «
Sarotra mihitsy ny manoloana ny vavahany vy mihidy. Raha tsy manana ny fanalahidy hianao, dia tsy misy herin’ olombelona mahavoha azy.
Amin’ny fiainantsika dia toa manatrika vavahady mihidy matetika isika, ka sarotra sahala amin’ ny vavahady vy ny hamoha azy.
Tahaka izany ny olona te-hibebaka nefa mahatsiaro fa mihidy aminy ny vavahadin’ ny famonjena. Tahaka izany koa ireo tanora kristiana izay te-handroso amin’ ny zavatra maro, nefa tsaroany fa misy vavahady mihidy eo anoloany. Sahala amin’ izany koa ireo mpiasan’ ny Tompo, fa mety hisy fahasarotana amin’ ny asany. Eny, matetika amin’ izao dia tsaroana fa misy vavahady vy maro samy hafa eo anoloantsika.
Tsy misy afa-tsy ny fanalahidin’ ny finoana no hamohana azy, izany hoe : Andraso ny Tompo ka matokia Azy dia ho hitanao fa hivoha ho azy ny vavahady vy.
Moa marina fa mivoha ho azy izy ? Tsia fa ilay tànan’ Andriamanitra mahery Tsitoha no mamoha azy. Ary izay vohany dia tsy misy maharindrina azy. Matokia an’ Andriamanitra dia ho hitanao faingana ny hamohany ny vavahady mihidy eo anoloanao.