» Dia namaly Jesosy ka nanao hoe : Tsy efa voadio avokoa va izy folo lahy ? Fa aiza ny sivy ? Moa tsy nisy hita niverina hanome voninahitra an’ Andriamanitra afa-tsy ity olona hafa firenena ity ihany va ? «
Nalahelo sy diso fanantenana Jesosy. Angamba saiky latsaka mihitsy aza ny ranomasony raha niteny Izy hoe : Aiza ny sivy ?
Nanantena hahazo fisaorana Jesosy, ary rariny ho Azy izany. Nahagaga tokoa ireto boka ireto, fa nahazo fanampiana lehibe tamin’ i Jesosy, kanefa tsy nahalala nisaotra noho izany. Nanampy azy ho afaka tamin’ izay nanjo azy Izy, dia ny tsi-nananany trano, ny nivezivezeny, ny fanaintainana ary ny fahafatesana mahatsiravina ka ho lanin’ ny amboa aza. Nefa izao dia nomen’ i Jesosy ho azy ny fahasalamana sy trano ary havana. Na dia izany aza dia tsy nahalala hisaotra izy ireo.
Koa raha ny amintsika no heverina, dia vao mainka manana antony lehibe isika hisaorana an’ Andriamanitra. Tsy mba voan’ io aretina maha-fadiranovana io ny ankamaroany amintsika. Fa manana tokantrano sy havana ary fahasalamana. Na dia azon’ aretina aza isika, dia fitaizana avy amin’ ny Tompo hahasoa antsika izany. Ary matetika dia matetika no nanafaka antsika tamin’ ny fahoriana Izy raha niantso Azy isika.
Ary izao dia manantena fisaorana avy amintsika tokoa Jesosy ! Mitovy amin’ ireo sivy va isika sa amin’ ilay anankiray ? Diniho ny fitahian’ ny Tompo, ka misaora Azy !