» Jehovah ô, ory loatra aho; aoka hiantoka ahy Hianao. «
Tenin’ i Hezekia mpanjaka ity, raha nilazan’ Andriamanitra izy, fa ho faty. Ary afa-tsy Hezekia dia arivoarivo ny olom-pantatsika manahy raha mahalala fa akaiky azy ny fahafatesana.
Mahatahotra ny ho faty; nefa niha mahatahotra ihany koa ny ho velona. Hoy ny olona hoe : Inona no mety hitranga amiko anio ? Mety misy zavatra mahafinaritra ahy tonga amiko anio, nefa mety misy zavatra manahirana ahy koa; eny, mety misy zavatra mahatsiravina ahy ho tonga amiko anio, noho izany dia hoy izy : Manahy aho Tompo ô, ka ory loatra.
Nefa isaorana anie Andriamanitra. Tsy ilaintsika ny manahy fa efa misy miantoka antsika. Misy anankiray mitsangana misolo antsika amin’ ny fahasahiranana mahazo antsika. Misy anankiray mikarakara antsika ; misy anankiray miantoka ny trosantsika ; misy anankiray misolo antsika amin’ ny helotsika, misy anankiray mety misolo antsika amin’ ny fahafatesana aza. Izany anankiray izany dia tsy iza fa Jesosy Kristy Izay mpiantoka antsika.
Matoky aho Tompo ô, fa miantoka ahy Hianao.