» Andeha hanaraka Ahy «
Tenin’ i Jesosy tamin’ i Matio izany. Fohy tsy misy fanazavana ; tsy misy fifanekena mialoha, teny tsotra fa hoe : Manaraha Ahy.
Isika koa ataon’ i Jesosy hoe : Manaraha Ahy. Ilaozy ny tsy mahomby : ny fiantsoana ataon’ Andriamanitra dia varavarana hidirana ao amin’ ny zava-tsoa, sady tsara no vaovao.
Tsy misy fandevilevena ataon’ Andriamanitra ny amin’ ny fahotana natao fa kosa ny Ataony dia manambara famelan-keloka. Noho ny fahasoavany ihany no mahatonga Azy hiantso hoe : Manaraha Ahy. Vao mainka mahazo fahasoavana bebe kokoa aza ny mihaino ny fiantsoany ka manaraka Azy.
Mandeha mialoha ny manaraka Azy Izy. Ny mpifehy ny miaramila eo am-bava ady dia aorin’ ny miaramila, ka manao didy handroso hanohitra ny fahavalo. Jesosy kosa mialoha, fa tsy mba aoriana. Izy no mifanena voalohany amin’ ny loza ka dia tsy matahotra ny fahafatesana. Nandresy ny fahavalony Izy ary ny miaramilany manaraka Azy aoriana.
Manaraha Ahy, hoy Jesosy aminao. Aza manaraka ny fanirian’ ny tenanao na ny fiantsoan’ ny namanao, fa ny an’ i Jesosy kosa. Eny, manaraha Azy !