» Ary izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy « .
Fanasana be voninahitra sy fitsarana mampanetry tena no voalaza eto. Nisy antony handroahana ahy, fa raha tsy izany dia tsy misy antony ho nilazan’ i Jesosy ity teny ity. Mpanota tototry ny faharatsiana aho : Tsy mahate-ho tia aho. Ka miendrika ny ho roahina, dia rariny raha atosiny vohon-tànana hiala tsy hanakaiky Azy.
Nefa azo itokiana ny teny famporisihina manao hoe : » Izay manatona Ahy dia tsy mba ho laviko mihitsy. » » Izay manatona Ahy « , hoy Izy eto. Tsy misy fepetra, tsy misy fandinidinihana ny fanahy. Koa dia avia, hatony i Jesosy, fa vonona handray anao. Feno fahasoavana Izy, te-hamela ny helokao, te-hampifaly anao, te-hampiadana anao, te-hanome hery anao handresenao ny ratsy. Koa avia, hatony Izy.
Eny, Tompo ô, manatona Anao aho izao. Feno ota aho ; tototry ny haratsiana, nefa dia sahy manatona Anao. Entiko manatona Anao ny zava-manahirana ahy, toy izany koa ny asa aman-draharahako, ny fanahiako ; entiko manatona Anao koa izay rehetra ahy, ny malalako, eny ny tena sy fanahiko dia samy entiko manatona Anao. Dia misaotra anao indrindra, Tompo ô, fa tsy mandroaka ahy Hianao.