» Izay mamafy am-pitomaniana dia hijinja am-pifaliana. Mandeha mitomany mitondra ny voa afafy izy, fa miverina mitondra ny amboarany amin’ ny fihobiana kosa » .
Maro ny olona mafy fo tahaka ny tany voahitsakitsaka mandritra ny fotoana ela. Na dia fafazana voa tsara aza ny tany efa mafy loatra dia mipetraka fotsiny eo amboniny ny voa. Tsy vonona handray voa afafy aminy izy, ka noho izany dia tsy mamoa voa vaovao ilay voa nafafy.
Azo amboarina ho tonga malemy anefa ny tany mafy. Ary torak’ izany koa ny fo mafy, fa azo ovana halemy izy. Azo analemena azy ny ranomaso. Ny ranonorana dia mampisokatra ny tany maina sady mafy handray ny voa afafy aminy. Ny fitiavana kosa dia mahatonga ny olona hangoraka ary hitomany raha mahita ireny mafy ireny. Koa ny ranomasony latsaka dia ranonorana mandena sy mampisokatra ny mamin’ ireo mafy fo ka mahatonga azy handray ny teny afafy aminy. Saingy vitsy ny mitomany.
Nefa sambatra izay mamafy am-pitomaniana, fa hijinja am-pifaliana. Amin’ ny andro hanaovana ny fijinjana lehibe dia hitondra ny amboarany amin’ ny fihobiana kosa izy. Mitomany eto an-tany fa mifaly any an-koatra. Ny voa afafy am-pitomaniana dia misy voa tsara hojinjana mandrakariva.
Mangataha amin’ Andriamanitra homeny fitiavana be; avelao Jesosy hampiditra anao ao anatin’ ny firaisa-mijaly. nefa tano ho anao irery ny fijalianao. Aza aseho olon-kafa ny fitomaniana. Aza manahirana olona ny amin’ izany, indrindra fa ireo izay itomanianao. Asehoy fitiavana izy. Ka aoka ny ranomasonao miafina hahatonga ny fon’ izy ireo handray ny tenin’ Andriamanitra, dia hijinja amin’ ny fifaliana hianao indray andro any.