» Andeha mody ; velona ny zanakao. Ary ralehilahy nino ny teny izay nolazain’ i Jesosy taminy ka dia lasa nody « .
Ity lehilahy tandapa voalaza eto ity dia tsy niankina tamin-javatra hafa hahavelona ny zanany afa-tsy Jesosy irery ihany. Ampy ho azy Jesosy. Nino ny teny voalazan’ i Jesosy izy, ka dia lasa.
Tsy nomen’ i Jesosy taratasy milaza ny fahasitranan’ ny zanany izy, fa am-bava ihany, nefa ninoany. Tsy nisy antoka hita maso hampahatoky azy, ary angamba aza tsy reny tao am-po fa sitrana ny zanany. Tsy nila na inona na inona intsony izy. Zavatra marina izay voalazan’ i Jesosy. Azo itokiana mihoatra lavitra noho ny porofo hafa sy fahatsiarovana ao am-po ny tenin’ i Jesosy, hoy izy. Angamba azom-pisalasalana ihany izy teny an-dàlana hody ka izao no nety ho noheveriny ho tenin’ i Jesosy anakam-po : Tsy ho tanteraka ny hoe : Sitrana ny zanakao, satria marary mafy izy, akaiky azy ny fahafatesana. Fiheverana fotsiny ny hoe : Velona ny zanakao, fa raha tonga ao an-trano hianao dia efa maty ny zanakao. izany no nety ho tonga tao an-tsainy tafaharo tamin’ ny fisalasalany. Nefa nisava ny fisalasalany, ka hoy izy : Voalazan’ i Jesosy tamiko fa : Velona ny zanakao ka dia velona izy. Tenin’ i Jesosy izany. Dia velona ny finoany ny tenin’ i Jesosy ka dia nandroso tsy tamim-pisalasalana intsony izy; tonga tao an-trano, nahita ny zanany velona.
Tsy misy na inona na inona mahatoky tahaka ny tenin’ i Jesosy. Miovaova ny fahatsiarovana ao am-po; mety miala ny antoka hafa, fa ny tenin’ i Jesosy dia miorina mafy tsy mihozongozona, tsy mivadibadika, tsy miovaova, azo iankinana mihitsy, tanteraka izay lazainy, ka inoy !