Kolosiana 1:24

 » Ankehitriny dia mifaly amin’ ny fiaretako ho anareo aho ary mahatanteraka ao amin’ ny nofoko izay tsy vita tamin’ ny fahorian’ i Kristy ho an’ ny tenany « .

Hay ve mbola misy zavatra tsy ampy amin’ ny fijalian’ i Kristy ?

Vita ny asam-pamonjena nataon’ i Jesosy. Efa nosotroiny tany Golgota ny zava-mangidy ka lany hatramin’ ny faikany. Ka hoy Izy :  » Vita « .

Nefa ny fiangonany dia voantso hijaly koa. Ny mpanaraka an’ i Jesosy rehetra, izay tena izy, dia tsy maintsy misotro amin’ ny kapoaka nisotroany koa. Hita mandrakariva izay tsy manaraka ny sitrapon’ Andriamanitra. Olona tapitrisa maro izay tsy hitantsika koa miaina amin’ ny toerana lavitra an’ Andriamanitra. Mijaly ny zanak’ Andriamanitra mahita sy mahalala izany. Izay nahazo ny sain’ i Kristy dia miara-mijaly amin’ ireo tsy mahazo ny famonjena ireo.

Amin’ izany dia mbola misy kapoaka vaovao, kapoaky ny fijaliana, hofenoina. izany kapoaka izany dia hofenoina famonjena ho an’ izao tontolo izao. Raha mihemotra amin’ ny fanarahana feno fijaliana an’ i Kristy ny olon’ Andriamanitra, dia tsy ahazo famonjena izao tontolo izao. Dia mbola misy tsy feno izany ny kapoaka. Ka moa tsy te-ho naman’ ny mameno azy va hianao ?

Laisser un commentaire