» Sambatra izay voavela ny helony sy voasarona ny fahotany. Sambatra izay olona tsy hisain’ i Jehovah heloka « .
Eny, sambatra tokoa ny voavela heloka. Izay zavatra mahatonga tsy fahasambarana dia ny fahotana. Tsy misy na inona na inona mahatonga ny olona ho tsinontsinona, tsy sambatra sy hanana toetra tsy mendrika afa-tsy ny fahotana ihany. Ny mamesatra ny sain’ olombelona, eny, mandevona azy aza dia ny fahatsiarovany ny fahotany.
Nefa azo avela heloka; tsy noho ny fahamendrehan’ ny olona anefa, tsy noho ny asa soa vitan’ ny olona, fa avy amin’ ny fitiavan’ Izy Andriamanitra ihany; eny, noho ny fahasoavany ihany rehefa miverina Aminy ny olona ka mino an’ i Kristy.
Atao hoe sambatra ny voavela heloka, ny voaisotra ny fahotany, ny tsy isaina diso natao.
Ny tabataban-tsaina voasolo fiadanana. Ampanjakain’ ny ao am-po ny feon’ ny fiadanana. Ny zava-poana nameno fiheverana voasolo fifaliana masina. Ny tsy fiadanam-po dia mandositra, ka fahasambarana sy fiadanana avy any an-danitra no mandray ny toerany.