Salamo 109:31

 » Mitsangana eo an-kavanan’ ny malahelo Izy mba hamonjy azy amin’ izay manameloka ny fanahiny « .

Tompo ô, mahantra aho. Raha mandinika ny toetrako aho ary mieritreritra ny asa vitako, dia izao no hitako voalohany : Tena mahantra aho. Rehefa tonga eo anoloan’ ny fahazavan’ ny Fanahinao ny finoako sy ny fitiavako ary ny vavaka ataoko mbamin’ ny asa aman-draharahako, dia menatra aho ary mahantra izay tsy izy.

Ary maro ny feo te-hiampanga ny fanahiko. Fa mendrika ho helohina aho. Ary manaiky izany ny fanahiko ka manao hoe : Amena. Nefa hianao dia tsy mba manaiky ka tsy manao hoe : Amena. Miandany amiko hianao, eny miantoka ahy. Ry Mpamonjy ô, ry Mpisoloko malala ô. Misaotra Anao aho fa marina ny hoe :  » Mitsangana eo akaikin’ ny malahelo hianao mba hamonjy azy amin’ izay manameloka ny fanahiny « .

Fa satria eo akaikiko hianao, dia tsy maintsy mangina ny feon’ ny mpanameloka ahy. Manafaka ahy Hianao ary mitsangana misolo toerana ahy. Isainao ho ahy ny fahamarinanao. Ahy ny fanananao. Misaotra anao aho Tompo ô, fa mitsangana eo an-kavanan’ ny malahelo Hianao. Tompo ô, aza miala eo Hianao na mandao ahy!

Laisser un commentaire