» Fa tamin’ ny fahafenoany no nandraisantsika rehetra, dia fahasoavana hanampy fahasoavana « .
Fahafenoana Andriamanitra. Tsy takatry ny saina io teny io. Variana amin’ io isika ka manontany hoe: Inona no tena ao amin’ Andriamanitra ?
Dia mamaly io teny io hoe : Feno fahasoavana Andriamanitra. Izy, izay mandrakizay tsy voafetra, tsy miankina na amin’ iza na amin’ iza, na amin’ inona na amin’ inona dia manana fahasoavana be dia be. Ary misy fahasoavana anampy fahasoavana ao Aminy. Tsy hita faritra fa lehibe mihoatra noho ny ranomasina ny fitiavany sy ny famindrampony.
Fa izaho kosa feno fahotana. Olona mpanota mahantra aho; ota miampy ota no ato amiko. Tena feno dia feno ota aho.
Nefa amin’ izany dia azon’ ny finoana ity teny be voninahitra avy amin’ ny Filazantsara ity, fa Andriamanitra dia Andriamanitra indrindra ho ahy. Voatendry ho an’ ny olona ny fahasoavana. Tsy nisy ny fahasoavana raha tsy nanota ny olona. Feno fahasoavana Andriamanitra, ary feno ota aho; noho izany dia tsy maintsy ho Andriamanitra Izy. Misy fahasoavana anampy fahasoavana ao Aminy. Misy ota miampy ota kosa ato anatiko. Mpamonjy Izy, fa izaho mpanota, ka dia mifanena izahay. Atolotro ho faty ao anatin’ ny fahasoavany ny fahotako. Dia tsy ho hitako intsony mandrakizay izy.