Lioka 18:1

 » Ary Jesosy nilaza fanoharana taminy fa tsy mety raha tsy mivavaka mandrakariva izy ka tsy reraka « .

Jesosy nanao fanoharana ny amin’ ilay mpitsara tsy marina sy ilay mpitondratena tsy nitandro henatra. Manaraka izany dia hoy Izy : Fa Andriamanitra tsy hanome rariny ny olom-boafidiny va, izay mitaraina Aminy andro aman’ alina, ary moa hitaredretra va Izy ?

Tena mifanohitra amin’ izany ny voalaza hoe : Mivavaka mandrakariva ambara-pahareraka, sy ny hoe Andriamanitra tsy mitaredretra fa manome rariny faingana ny olom-boafidiny, mbamin’ ny hoe : Miantso Azy andro aman’ alina. Ary Andriamanitra manome rariny azy faingana. Zavatra tena tian’ Andriamanitra ny hanampy; nefa indraindray dia misy fotoana elaela ihany ampiandrasany an’ ilay mila fanampiana. Malahelo Andriamanitra noho ny ampiandrasana ilay mpangataka. Nefa matokia fa raha vao lany ny fotoana nampiandrasany anao ary efa nianaranao ny tokony ho nianaranao dia tsy hitaredretra Izy fa hanampy anao. Tsy hitaredretra amin’ izay fantany fa mahasoa anao Izy. Koa  » Mivavaha mandrakariva ka aza reraka « .

Laisser un commentaire