» Fa Izay mamindra fo aminy no hitarika azy. Ary any amin’ ny loharano miboiboika no Hitondrany azy « .
Fampiononana ho antsika ity voalaza eto ity, fa antsoina hoe : Mpamindra fo amintsika Andriamanitra, sady mitarika antsika Izy. Manambara fangoraham-po sy fitiavana tanteraka ary fahasoavana tsy hita lany ity teny ity.
Tsy manandevo antsika Andriamanitra ka hoe manery antsika handroso na tiantsika na tsy tiantsika, ary tsy mamehy antsika amin’ ny karavasy Izy. Tsy toy ny mpanompo isika eo amin’ Andriamanitra. Ny mpanompo dia manohitra ny tompony ary matetika aza tsy mety mandeha amin’ izay anirahana azy, satria matahotra sao iharan-doza amin’ izany. Isika kosa tsy ho toy izany, fa hanaraka tsotra an’ Andriamanitra amin’ izay itondrany ary hino fa tsy hiharan-doza amin’ izany.
Raha Andriamanitra no mpitarika antsika, dia handeha amim- pifaliana isika. Fantany tsara dia tsara tokoa izay ilaintsika, ary fantany tsara indrindra koa ny làlana itondrana antsika. Raha Andriamanitra no Mpitarika antsika dia sambatra isika fa feno famindram-po sy fiantrana ny Làlany.
Te-hitondra antsika amin’ ny loharano velona Izy. Tsy hangetaheta eo an-dàlana hianao, Andriamanitra te-hitarika anao amin’ ny loharano miboiboika sady madio. Dia hisotro hianao ka afaka hetaheta sy hahazo hery ary ho faly. Manaraka izany dia hahazo hanohy ny dianao.