» Izay tsy mahalala ota dia efa nataony ota hamonjy antsika, mba ho tonga fahamarinan’ Andriamanitra ao Aminy isika « .
Tena mahatsiravina ny hoe : Natao ota. Iza no afaka hanazava io teny io ? » Natao ho mpanota » na » nentina tahaka ny mpanota » ; azontsika fa ny hoe : » natao ota » dia saro-pantarina.
Ary nihatra tamin’ Izay tsy nahalala ota izany. Ilay masina Izay Andriamanitra, tsy manan-tsiny, tsy misy pentina, na dia kely akory aza, dia natao ota.
Nangoniny ho ao amin’ ny tenany ny otan’ ny olona rehetra ka dia nanao ny tenany ho iray amin’ ny mpanota rehetra Izy. Nandatsaka ny tenany ho voaozona mihoatra noho ny mpanota rehetra, ka dia maty tamin’ ny hazo fijaliana. Noheverina ho mpanota mihoatra noho ny mpanota rehetra Izy, eny, Izy no tena ota.
Nianjera Taminy ny fahatezeran’ Andriamanitra rehetra ka dia tsy maintsy maty tamin’ ny fahafatesana fisoloana ny mpanota rehetra Izy.
Misolo ny mpanota rehetra Izy. Mahatsiravina izany, nefa feno voninahitra tsy takatry ny saina. Afaka àry ny mpanota. Noho ny Asany dia marina eo anatrehan’ Andriamanitra isika. Izy, Izay masina, dia natao ota. Noho izany, izaho izay mpanota dia hekena ho masina noho ny nanaovana azy ho ota.