Jaona 5:44

 » Hataonareo izay mifampitady laza ahoana no fino ? « 

Fatra-pitsiriritra voninahitra araka ny maha-olona azy ny olona. Iza no tsy te-ho tsara laza ? Raha misy milaza tsara antsika na mandoka antsika eo imasontsika dia maneho fanetre-tena isika, ka mody milaza tena ho tsy mahomby na tsy mendrika izany fandokafana izany. Kanjo faly dia faly ao am-po isika, ary miteny anakam-po hoe :  » Mahita ny fahatsarako na ny fahombiazako ny olona ka mandoka ahy, ary rariny izany « .

Raha mitady voninahitra sy doka avy amin’ny olona isika dia manambany tena. Andevon’ ny olona isika raha toy izany, ka voateritery na amin’ ny teny na amin’ ny fomba fiasa, ka varian-dresaka mandrakariva ny amin’ izay fiheveran’ ny olona. Dia manimba tena isika amin’ izany ka tsy mahapetraka amin’ izay tokony hisy antsika.

Misakana ny finoana ny fitsiriritam-boninahitra, hoy i Jesosy. Manan-javatra iray loha kendrena ny finoana : dia Jesosy. Ny Voninahiny sy ny fitsarana Ataony no tena mavesa-danja amin’ ny mino fa tsy misy ambonin’ izany. Ny zavatra rehetra ananany dia an’ i Kristy fa tsy misy tànany ho azy. Ny fitsarana sy voninahitra rehetra omen’ ny olona dia tsy maintsy miala eo anatrehan’ i Kristy, izay kendren’ ny finoana sy ny fiainana kristiana rehetra. Izay manana finoana velona dia tsy maintsy ialan’ny fitsiriritam-boninahitra.

Laisser un commentaire