» Inona ny olona no ahatsiarovanao azy ? Ary ny zanak’ olombelona no amangianao azy ? «
Eny, tsy maintsy manontany toy izany matetika aho, indrindra raha tsaroako ny fahambaniako sy ny fahotako.
Inona ny olona? Baingan-tany fotsiny misy aina izy. Ary hiala aminy io aina io indray andro any, ka hiverina indray amin’ny mahavovoka azy izy, ary ho iray amin’ny tany. Inona ny olona ? Zavatra iray feno fanirian-dratsy izay tsy manahy na inona na inona, ary manakipaka ny sasany hahazoany ny soan’ ity tany ity, ka farany dia hita fa miaraka amin’ny hafa mitoetra ao amin’ny maizina izy ka miandry ny alina. Inona ny olona ? Ny olona dia zava-belona miraparapa sy mitady zavatra ary manana fahavalo iadiana, dia mijaly ary farany maty.
Eny, inona ny olona no ahatsiarovanao azy ? Vovoka izy, nefa satrohanao voninahitra tsy mety simba ary omenao fahasambarana mandrakizay. Avelanao heloka izy, ary asandratrao ho sambatra mandrakizay any aminao. Jamba miraparapa izy, nefa ampahitanao. Tarihinao làlana izy ary hazavainao amin’ny làlam-pahamarinanao.
Nefa Tompo ô, inona moa aho no mba tsarovanao ? Tsy mendrika izany velively aho. Nefa mahatretrika ahy indrindra izany.