« Rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan’anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony. » Mahita sombiny kely amin’ny sain’ Andriamanitra isika eto, dia ity: amin’ny fo malalaka tsy misy manery no mahatonga an’Andriamanitra hanangana antsika…
Mois : juin 2020
« Ka tsy mba ho taitra izay mino. » Mahay mandanja hevitra ny olo-mino, miadam-po ary tsy be ahiahy. Tsy mampiadana kosa fa mahatonga ahiahy sy fo mora taitra ny tsi-finoana. Mampiseho ny hakelin’ny finoana ny tsi-faharetana amin’ny vavaka. Ny fanerena an’…
« Mijery Azy ireo ka miramirana sady tsy mangaihay ny tavany. » Izay fatra-pijery ny zava-poanan’izao tontolo izao dia tonga zava-poana tahaka azy koa. Izay varian-kevitra amin’ny fanoherana ataon’ny mpanao ratsy dia kivy. Izay mijery ny tafio-drivotry ny fahoriana sy ny fiavovon’ny…
« Koa hatanjaho ny tànana miraviravy sy ny lohalika malemy; ary manaova làla-mahitsy halehan’ny tongotrareo, mba tsy hampipitsoka ny tongotry ny mandringa, fa ny mba hahasitrana azy kosa. » Alohan’ireto teny ireto dia nisy teny milaza ny fijaliana. Mety mahatonga ny olona…
« Ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva. » Tsy tena mafy ny mandan’ny Jerosalema. Noho izany dia mora tamin’ny fahavalony ny nampirodana azy. Ary inona moa Jerosalema rehefa rava ny mandany? Nefa Jehovah miteny amin’ny olona miverina avy any amin’ny fahababoana…
« Indro, efa vitako tombon-kavatsa eo am-pelan-tànako hianao. » Andriamanitra manao ohatra tena mahafinaritra ilazany amintsika zava-dehibe tsara tokoa. Raha misy zavatra soratana amin’ny ravin-taratasy dia mety very na hadino. Fa izay voasoratra raikitra amin’ny tànana dia manaraka mandrakariva ny tompon’ny tànana…
» Hisotro amin’ny ony any an-dàlana Izy, ka izany no hitrahan’ny lohany. » Azo lazaina ho mpandeha hianao, ary mila hery amin’ny adinao, satria manasatra ilay làlan-kodiavinao. Nefa eo an-tsisin’ny làlana alehanao dia misy ony madio tsara, mampahery ka azonao atao…
« Lazaiko aminareo marina tokoa: Araka izay tsy nataonareo tamin’ny anankiray amin’ireto kely indrindra ireto no tsy mba nataonareo tamiko. » Oadray! Misy zavatra tokony ho nataontsika nefa tsy nataontsika. Raha voasoratsika amim-boky ny asantsika isan’andro dia ho hitantsika ny fanaovantsika tsirambina…
« Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’ Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina. » Mba hahazoantsika mazava ny hevitr’io teny voalaza eo ambony io dia aoka hovakintsika ny II Kor. 12.1-10. Manambara amin’ireo…
« Ary toy izany koa, ny Fanahy no mamonjy ny fahalementsika, fa tsy fantatsika izay vavaka tokony hataontsika; fa ny Fanahy no mifona amin’ny fitarainana tsy azo tononina…Kristy Jesosy… mitoetra eo amin’ny tànana an-kavanan’ Andriamanitra ary mifona ho antsika… » Zava-dehibe tokoa…