Salamo 34:5

« Mijery Azy ireo ka miramirana sady tsy mangaihay ny tavany. »

Izay fatra-pijery ny zava-poanan’izao tontolo izao dia tonga zava-poana tahaka azy koa. Izay varian-kevitra amin’ny fanoherana ataon’ny mpanao ratsy dia kivy. Izay mijery ny tafio-drivotry ny fahoriana sy ny fiavovon’ny alondranom-pahasahiranana dia hiantso mafy noho ny tahotra. Izay mijery ny ao anatin’ny fony dia tsy mahita afa-tsy ny fahotany, tsi-firehana, fangatsiam-po sy fitiavan-tena ary ao am-pijerena izany dia tonga very hevitra ka tafiditra amin’ny famoizam-po.

Fa izay mijery an’ i Jesosy kosa dia mahazo fifalian-dehibe ka mirana, satria ao amin’i Jesosy no ahazoany famonjena sy fahamarinana ary fahamasinana. Ny fijerena an’ i Jesosy no ahazoana hery ho an’ny fanahy. Izy no fiarovany mafy amin’ny androm-pahoriana. Izy no ahazoam-pamelan-keloka raha manota ary toro-hevitra mahasoa raha tsy mahita izay hatao. Afaka hanome izay rehetra ilaina Izy.

Izay mijery an’ i Jesosy, Izay nanavotra azy tamin’ny fahotana, Izay te-hitarika azy isan-andro, Izay sakaizany mahafinaritra sy mahafa-po, dia mirana noho ny fifaliana.

Laisser un commentaire