» Hisotro amin’ny ony any an-dàlana Izy, ka izany no hitrahan’ny lohany. »
Azo lazaina ho mpandeha hianao, ary mila hery amin’ny adinao, satria manasatra ilay làlan-kodiavinao. Nefa eo an-tsisin’ny làlana alehanao dia misy ony madio tsara, mampahery ka azonao atao ny misotro amin’io hahazoanao hery. Izany ony izany dia ohatra milaza ny herin’ Andriamanitra Tsitoha izay omeny malalaka sy maimaimpoana ho an’ny olona te-handray azy.
Maro anefa no tsy misotro amin’ilay ony ka tonga mpandeha sasatra an-dàlana. Mitanondri-doha izy fa trotraky ny dia. Tsy miandrandra izy ka tsy mahita ny tsara manodidina azy sady tsy mitazana ny toerana hotratrarina fa mijery ny tany ihany.
Fa izay misotro amin’izany rano akaikin’ny làlan-kalehany izany dia afaka hampitraka ny lohany. Manome hery azy ny rano, ary ilay hotratrarina dia tazany mamirapiratra mahafinaritra fatratra ery aloha.
Ry mpandeha malala sasatra an-dàlana ô, misotroa, eny misotroa mandrakariva hianao, dia hahazo hery. Hahazo hery ampy hanaovana ny adidinao anio tokoa hianao.