« Ary Izay mandinika ny fo no mahalala izay hevitry ny Fanahy, satria araka an’ Andriamanitra ny fifonany ho an’ny olona masina. »
Mba hahazoantsika mazava ny hevitr’io teny voalaza eo ambony io dia aoka hovakintsika ny II Kor. 12.1-10.
Manambara amin’ireo andininy ireo Paoly, fa indray mandeha dia varian-kevitra ny amin’izay tokony hangatahina izy. Nasiana tsilo ny nofony ka nisakana azy tsy hiasa izany. Tsy isalasalana ny sitrapon’ Andriamanitra, fa izao: Ho salama Paoly. Fiasana voafidy hampiasaina izy ary izao tontolo izao dia malalaka hampiasana azy.
« Be ny vokatra fa ny mpiasa no vitsy. » Noho izany dia nanatona tamim-pahatokiana an’ Andriamanitra i Paoly ka nanao hoe: » Esory hiala amin’ny nofoko ny tsilo. »
Nefa ny Fanahy Masina nanao hoe: « Tsia, Andriamanitra ô, tsy mahalala izay zavatra ilaina i Paoly. Aoka ho ao amin’ny nofony ihany ny tsilo. Kivy fatratra i Paoly nefa nanatona an’ Andriamanitra ka nangataka mafy Azy nanao hoe: Andriamanitra ô, esory hiala amiko ny tsilo.
Nefa hoy ny Fanahy Masina hoe: Tsia, Abdriamanitra ô, aza esorina aminy ny tsilo. Mbola ilaina ho an’i Paoly io; hianarany fa ny fahalemeny no heriny, fa ampy ho azy ny fahasoavana. Tahaka izany no andresen’ny fifonan’ny Fanahy Masina, satria araka ny sitrapon’ Andriamanitra ny fivavahana na fangatahan’ny Fanahy Masina ho an’ny olo-mino. Mitsangana eo anatrehan’ Andriamanitra i Paoly ankehitriny ka manao hoe: Misaotra Andriamanitra ô, misaotra noho ny tsilo nahazo ny nofoko. Misaotra noho ny tsy nihainoanao ny fangatahako hanesorana ny tsilo tamin’ny nofoko. Misaotra noho ny fahasoavana nomenao ahy nahazakako ny tsilo namely ny nofoko. Misaotra noho ny herinao nanampianao ahy. Angamba misy fangatahanao tsy voavaly koa, sa manao ahoana? Ny tantaran’i Paoly araka ny voalaza teo dia mety hanazavana aminao ny anton’ny tsy ahazonao valy amin’ny fangatahanao. Koa dia misaora ihany an’ Andriamanitra noho ny fifonan’ny Fanahy Masina.