Isaia 49:16

« Ary ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva. »

Tsy tena mafy ny mandan’ny Jerosalema. Noho izany dia mora tamin’ny fahavalony ny nampirodana azy. Ary inona moa Jerosalema rehefa rava ny mandany?

Nefa Jehovah miteny amin’ny olona miverina avy any amin’ny fahababoana hoe: « Ny mandanao dia eo anatrehako mandrakariva. » Tsy manadino anao Aho. Hatao indray ny mandanao, ka hiambina azy Aho. Aza matahotra! Raha mbola miaina amin’ny fahatahorana an’i Jehovah hianao, dia tsy ho azo resena.

Jehovah miambina ny mandanao koa. Hatramin’ny fanambanin’ny mandanao indrindra dia jeren’ny masony mandrakariva. Raha manodidina manao izay hahavoa anao ny fahavalonao, dia miambina ny mandanao Izy. Ka dia mahazo mipetraka tsy amin’ahiahy hianao, fa ao ivohon’ny manda dia miaro Jehovah.

Eo anatrehan’ny mason’ Andriamanitra mandrakariva ny mandanao.

Laisser un commentaire