Efesiana 1:5

« Rehefa notendreny rahateo amin’ny fitiavana isika mba ho Azy amin’ny fananganan’anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy, araka izay ankasitrahan’ny fony. »

Mahita sombiny kely amin’ny sain’ Andriamanitra isika eto, dia ity: amin’ny fo malalaka tsy misy manery no mahatonga an’Andriamanitra hanangana antsika ho zanany. Ny antony dia noho ny fitiavana ihany. Koa ny tsara indrindra no Nataony sy Nomeny. Noho izany fitiavany antsika mpanota mahantra izany no ananantsika ny fananganan’anaka amin’ny alalan’i Jesosy Kristy. Dia manana zo ho zanaka àry isika rehetra, ka ho mpandova lanitra.

Mifalia hianareo, ry fanahiko, fa Andriamanitra nanendry anao ho zanany. Tsy hianao no nahatonga izany fa Izy tenany. Fahasoavan’Andriamanitra ihany no anananao ny rariny ho zanany. Tonga rahalahinao sy anadahinao Kristy. Ny nahafatesany no namohany anao ny varavaran’ny lanitra mbamin’ny harena rehetra ao ary mamela anao hiantso an’Andriamanitra ho Ray. Dia marina tokoa fa mpanan-karena hianao.

Laisser un commentaire